Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3931.
Aza be siasia toy ny amalona andrano.
niryna
3932.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
niryna
3933.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
3934.
Aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy.
niryna
3935.
Ny fihavanana tsy azo vidina.
niryna
3936.
AZa manao fihavanan-karena ka;tomany handratra ny sasany.
niryna
3937.
Aza manao tsinay homan'aty.
niryna
3938.
Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
niryna
3939.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
niryna
3940.
Ny teny toy ny foosana, ka izay mamono no mamaha.
niryna
3941.
Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
niryna
3942.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano.
niryna
3943.
Miasa jamba rafozana;herim-po very foana.
niryna
3944.
Ny ondry boka manaratsy ny namany.
niryna
3945.
Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
niryna
3946.
Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
niryna
3947.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny
galix
3948.
Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
niryna
3949.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
niryna
3950.
Mifankatia amin'ny amalona;ka nony sendra tia, nabolilany
niryna
3951.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana.
niryna
3952.
Toy ny fandiorano ny ratsy;koa miseho, tsy menatra olona;misitrika tsy valahara.
niryna
3953.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
3954.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
3955.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty.
niryna
3956.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika.
niryna
3957.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
3958.
Ilatsahan'ny varatra am-pangerena, sady maty no mihoson-tay
jlambout
3959.
Aza manao boloky lahy homam-boatsieva, mamy ny atsy, fy ny aroa.
Aotsara
3960.
fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
jolie
Voalohany
Mialoha
130
131
132
133
134
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0204