Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3931.
Rangahy nangolangolaim-bady kely ka nanary ny efa nihary
latina
3932.
Iray trano fa tsy iray raharaha toa mpirafy
latina
3933.
Ny varotra toy ny fanambadiana, ka raha tsy raikitra misaraka ihany.
latina
3934.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny ahy
latina
3935.
Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry
latina
3936.
Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
latina
3937.
Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
latina
3938.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
3939.
Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
latina
3940.
aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
latina
3941.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
3942.
Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
latina
3943.
Mitranga matetika ohatra ny fifandiran'ny mpivady
latina
3944.
aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany n ho trany
latina
3945.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
3946.
tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
latina
3947.
aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
latina
3948.
aleo adala tena toy izay adala renianaka
latina
3949.
aza mitsiriri-bady voky
latina
3950.
toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
latina
3951.
Ny tokantrano tsy ary mitovy
latina
3952.
Izay manjo vady, manjo tena
latina
3953.
tiam-bady ka mahay miresaka
latina
3954.
Raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana
latina
3955.
totofany lainga ka dia miaritra ihany, ilazany ny ampitso lava ka dia miramirana
latina
3956.
zatovo miavon-tsahala ka tratry ny akory izao!
latina
3957.
Izaho tsy manambady afa-tsy rainisambaina
latina
3958.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
3959.
natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady
latina
3960.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanolana
latina
Voalohany
Mialoha
130
131
132
133
134
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.064