Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4321.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka.
latina
4322.
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
latina
4323.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
4324.
Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila.
latina
4325.
Ny halavoana tsy maha lehibe
latina
4326.
Aza atao famaky manan-tsiny amin'izay kiakiak'akoho
latina
4327.
Sabora raiki-molaly: na manitra aza mangidy
latina
4328.
Ny tsiny toy ny rivotra: mikasika ny tena, fa tsy hita tarehy.
latina
4329.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo, ka tsy ilaozan'izay mania.
latina
4330.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana.
latina
4331.
Manasa lamba be tseroka, na madio aza, mangarahara
latina
4332.
Akondro jinja hariva: raha tsy malazon'ny andro aza, mantsasaky ny alina
latina
4333.
izaho no lavo, niherika anao
latina
4334.
Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
latina
4335.
Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
latina
4336.
Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
latina
4337.
Aza mitari-bilona eo imason'ny omby
latina
4338.
aza mandihy am-piringa toa vorondolo
latina
4339.
aza manao solafaka andro mitsidika
latina
4340.
akofam-bary, tsy menatra izay hiankandrefana
latina
4341.
Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
latina
4342.
Tsy kivy tsy ketraka ka homan-kena tsy lasam-bidy
latina
4343.
tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana
latina
4344.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
4345.
Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
latina
4346.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
latina
4347.
Tsy nisy soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
latina
4348.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
latina
4349.
Izay mahavangivangy tian-kavana, ny malemy fanahy tratra am-parany.
latina
4350.
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo: tsy maty, fa malazo.
latina
Voalohany
Mialoha
143
144
145
146
147
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0392