Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
421.
Mpamosavy mandalo fasam-bao: zava-panao ka tsy aritra
latina
422.
aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
latina
423.
Potraka am-baravarana toa mpamosavy
latina
424.
mpamosavy namosavy boka, ka matin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
latina
425.
Lambamena nenti-nanitsaka, ka babon'ny mpisambotra.
latina
426.
Fatra-piahy mpamosavy; fatra-pifehy trano fangalarina
latina
427.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
428.
Sikidy soa tsy andihirana, sikidy ratsy tsy taniana
latina
429.
Toy ny sikidy saka: ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hfa.
latina
430.
Sikidin-dRahivina:raha tsy lahy, vavy
latina
431.
aza mila voa tsy ary, toy ny mpisikidy mampandihy ny marary
latina
432.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
433.
aza mandika ny soan-janahary
latina
434.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
435.
Tsy mandidy alohan'andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina.
latina
436.
Za mandidy alohan'Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
latina
437.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
latina
438.
haitraitr'olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy
latina
439.
toy ny akohokely misotro rano, ka ny andriamanitra no andrandrainy.
latina
440.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
441.
Mandeha irery, sahalain'andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona
latina
442.
Ny iray tahitathin'olombelona, fa ny iray tahitahin'andriamanitra
latina
443.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
444.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
445.
aleo meloka amin'olombelona, toy izay meloka amin'Andriamanitra
latina
446.
Andriamanitra tsy tia ratsy
latina
447.
Tsy misy tsy fantatr'andriamanitra, saingy minia miondrika izy
latina
448.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
449.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
450.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray manodidina ihany
latina
Voalohany
Mialoha
13
14
15
16
17
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0324