Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
391.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy.
latina
392.
Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
latina
393.
Avoavoin'ny vava ka sahalain'ny vintana
latina
394.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana
latina
395.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba?
latina
396.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
397.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
398.
Aza matoky tangena entin-drahalahy
latina
399.
Sendra mandalo Ramaka, ka may ny tanĂ na
latina
400.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
401.
boka mitoraka Alahamady, ka hitan'Andriamanitra ny tarehiny
latina
402.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
403.
Ny takatra no fisa-doha, marary tsy misy mpanondana.
latina
404.
Ny maty no tsy alevina alakamisy sy alahady, ny velona no tandrovina.
latina
405.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
406.
Ny kibobo no mena-maso: miresaka amin'ny Vazimba
latina
407.
Lolo mamoha angatra
latina
408.
Sendra masaka, tokony hihinana, avy tsy asaina, nasesiky ny razana.
latina
409.
Misakaiza amim-Bazimba malahelo, ka ny akoholahy lany, ny fitahiana tsy misy
latina
410.
Harem-bery foana, toy ny menaka ahoso-Bazimba
latina
411.
Ny adala no manitsa-Bazimba, ka ny lehibe no aolanolany
latina
412.
tany mainty tsy mba Vazimba
latina
413.
Ny vazimba no mankarary, ka ny akoho no mihanton-doha
latina
414.
Miteny irery toy ny miresaka amim-bazimba
latina
415.
raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy
latina
416.
Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny atambo.
latina
417.
Mpamosavy nalevina an-dalana, ka ny valin-kitsaka no miverina
latina
418.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana.
latina
419.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
420.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
Voalohany
Mialoha
12
13
14
15
16
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127