Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
301.
Harabaina, tsy mahalala; tenenina, dia tezitra
latina
302.
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika, tezitra, miara-mihodina.
latina
303.
aza manao kitapo hamelana lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka.
latina
304.
be famaritra ny maso, ka mitahiry raki-dratsy ny fo.
latina
305.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
latina
306.
Mpandrava efa toa voalavo
latina
307.
Aza mifonoka ambanin'ny maimbo
latina
308.
Miaraka amin'ny ferena ka ny tsara fanahy no maimbo
latina
309.
lambarano voahosotra arina: tafaray samy ngerona
latina
310.
Mikamban-dratsy toa gadralava
latina
311.
aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana
latina
312.
aza mitangorona toy ny voangory ho ritra
latina
313.
Ny teny ierana tsy mba loza
latina
314.
Maso sy orona, ka alahelo no iraisana.
latina
315.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
316.
raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy, fa raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty
latina
317.
Ny maty aza te ho maro
latina
318.
Tana mpamono mpanambitamby, vava mpitezitra mpamalifaly
latina
319.
aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana
latina
320.
aza manao tsinay homan'aty
latina
321.
havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa, havan-tetezina
latina
322.
Aza sarotra ihamboana toa avan-dratsy
latina
323.
aza manao sakaiza manody
latina
324.
aza mila lolotr'amanona amin-kavana
latina
325.
aza manao fihavan-karena, ka tomany handratra ny sasany
latina
326.
aza kely fisian-kavana loatra
latina
327.
Aza tsy tia olona, fa ny olona no harena
latina
328.
aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.
latina
329.
aza mandalo tanĂ na misy havana
latina
330.
aza manao fihavanan'amboa, ka taolana iray no hisarahana
latina
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
13
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133