Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
211.
Bokalahy lavo amin-karavola: ka kibo no enti-manarina
latina
212.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
213.
lambam-boka, ka izay sahy no mindrana
latina
214.
Ilay boka sy ny odiny: Ny tarehiko anie efa simba, fa ny hataonao no sisa
latina
215.
boka mivaron-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan'ny mpivarotra no mampalohiloy
latina
216.
sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila
latina
217.
telo no sola: ny anankiray tava mitatra, ny anankiray sola nahafahana, ny anankiray tena sola
latina
218.
totohondry diavolana: ny mazavaray ihany no voa
latina
219.
Maro ny sola, fa ny an-tsatro-mena no izy
latina
220.
fery ambany maso, sady maharary no maha menatra
latina
221.
Fotsy maso an-danonana, ka izay an'ny tena no adiridiry
latina
222.
bari-maso be manafatra, ka ny be molotra indray no mianjona
latina
223.
Njola mangala-katsaka: mody tsy mijery, kanjo mitily ny main-dambana.
latina
224.
didimaso asiana ody: mahareta fa hihavian'ny soa
latina
225.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
226.
didimaso mitomany, ka ny vava ihany sokafana dia vita
latina
227.
didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra
latina
228.
Didy maso tsara ondana ka tafandry manana aretina
latina
229.
avelao hitaha hahitana ny lesoka, avelao hamindra hahitana ny tsivaka
latina
230.
tsivaka marim-pandeha
latina
231.
aza mitaitay ny banga, fa hoditra no ifanekerana
latina
232.
Ilay banga manao solo-nify: afa-kenatra eo am-pihomehezana, fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
latina
233.
banga sendra vomanga, ka mifanena amin'ny antonona azy
latina
234.
banga very antsy, ka ny kenda no ampoizina
latina
235.
Aza mihambom-po bnga nify, ka tsy mitondra miso mandeha
latina
236.
ala-faditr'ilay moana, ka ao am-po no manisaisa
latina
237.
Kalon'ilay moana: am-po no mametsovetso
latina
238.
tsy azo hibaben-jaza toa fery an-damosina
latina
239.
Ny tsongo tsy hita fery no tsy toha
latina
240.
Lava volombava mizaha lanonana, ka ny alamaka ihany no maha faingana azy.
latina
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0375