Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
181.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
182.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra
latina
183.
Sifotra antitra aho, ka tsy maha-reny vorona anao
latina
184.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia
latina
185.
Tahaka ny antitra mitomany:maika loza miketrona manaratsy tena
latina
186.
Toy ny fanoto: antitra vao kely anarana
latina
187.
Olom-boky tsy manina
latina
188.
Ny hasasarana maha malok'endrika
latina
189.
tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy, tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary
latina
190.
be no te ho Rasalama fa tsy avelan'ny aretina
latina
191.
sitry ve aho ka ho velona ambony vato?
latina
192.
Ny kibo toy ny aponga, ka raha henjanina maneno
latina
193.
hetaheta tsy afa-dronono
latina
194.
Ny jeri-maso afenina zaka ihany, fa ny kibo miaritra akiky no tsy toha
latina
195.
tsinay tsy mba vatsy, kibo tsy mba lamosina
latina
196.
Tsinay tsy mivora-poana
latina
197.
tsapa-sokin-dRainiboka, ka ny azo ihany no avadibadika
latina
198.
boka mihalo-poza: mipaka ihany fa tsy mitondra
latina
199.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
200.
Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery omby
latina
201.
aza manao toy ny boka manjono, mifamitaka samy malama
latina
202.
Mitaiza ny boka, ka manabe ny tsy azo ho namana
latina
203.
boka mikavina; tsy haingo fa fitehirizan-karena
latina
204.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
205.
boka very tsy misy araka
latina
206.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
207.
boka mijinja vary, ka mamorovoro ny efa vita
latina
208.
tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana
latina
209.
boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina
latina
210.
Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy
latina
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0311