Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
91.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
92.
vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiny
latina
93.
Lolo fotsy mitono tena ka matin'ny nahim-pony
latina
94.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
95.
Mizo-poana toa omby vonoina
latina
96.
nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka?
latina
97.
fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo.
latina
98.
mamatotra akoho an-kady ka mankasika ny kary
latina
99.
Manihika an-tanety ka androngo no azo
latina
100.
Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony
latina
101.
aza mandoa lasiray raha voa famaky
latina
102.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika
latina
103.
aza manetriketrika ny an'olona, fa rehefa masaka batain'ny tompony
latina
104.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
105.
Tefi-vilian-dRainiraony: ny an'olona novonjeny, ka ny an'ny tena no atao tofefi-katoka
latina
106.
Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
latina
107.
manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso
latina
108.
valam-parihy tsara hatsaka, ka na ny kely aza mitety tor-kovitra ihany.
latina
109.
manakodi-by, mahandro fanjaitra: voky ihany fa manevitevika
latina
110.
Misavika ny tsy ho an'ny tena, toy ny vahy misavika akondro
latina
111.
Akoho nikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
latina
112.
aza mandrefy hazo mitsangana
latina
113.
aza manaraina misy vary
latina
114.
aza mitarika hazo an-tendrony
latina
115.
Aza mitondra hodi-nato miantsinanana
latina
116.
hafahafa toa sifotra, ka ny tamenany indray no ariana
latina
117.
hafahafa fitia sifotra, ka ny taviny no ariana
latina
118.
fatra-pitady fitia mba hanampy, ka manary ny mby an-koditra
latina
119.
Fatra-pitady ny hofany, ka manary ny tenany be
latina
120.
Fatra-pitady ny tsy hita, ka manary ny hita maso
latina
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.028