Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
151.
Monina ambanin'ny saokan'ny hendry
latina
152.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
153.
Manan-tsira ka mahay mahandro
latina
154.
Ny hevitra dia toy ny ketsa: raha lava loatra, maningotr aina; ary raha fohy loatra, afatotry ny sasany
latina
155.
izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina
latina
156.
Raha mararin-teny, aza mitakarina
latina
157.
Manasa ny be kibo, ka ny vary no lany, mananatra ny adala, ka ny vava no vizana.
latina
158.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
159.
Be feo mananatra ka ny ala-trano no mahazo aloha
latina
160.
Ny akanga aza mahalala ny tsaratsarao, ka maika fa izaho olombelona
latina
161.
Teny atsipin'ny manam-panahy, raisin'ny mpahalala
latina
162.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry, tsy tiana, mitampody
latina
163.
Rafotsibe manandrana anana: tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany
latina
164.
Mifanaratsy an-toerana ohatra an-dRafotsibe mitanin'andro
latina
165.
Rafotsibe maty ondry, ka misento homana ny atiny
latina
166.
Rafotsibe vaky sahafa, ka manatavy ny akohon'olona
latina
167.
Rafotsibe leom-boanjo: ny tain'ondry avy no andosirany
latina
168.
Rafotsibe leon-tsokina, ka tsy te-hijery vodi-kifafa.
latina
169.
Rafotsibe miandry ombilahy, ka manaraka am-bokony
latina
170.
Vavy anti-doza tsy mamindra fo ny lasa
latina
171.
aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitodi-jafy intsony
latina
172.
Rangahy anilan'ny sinibe, ka ho fatin'ny aza fady
latina
173.
Aza manao toto vomangan-dRangahy, ka ny malemy ihany no velezina
latina
174.
Rangahy nianala: fanoto nozaka, ka maty antoka ny vatsiny
latina
175.
Lahy antitra manin-kavana: hitsinjo, tsy mahita; handeha, tsy afaka.
latina
176.
Lahy antitra manao tetik'asa, ka mosaren'ny hafetseny
latina
177.
Ny tanora valaka tsy mahaleo ny lahy antitr'Imamo
latina
178.
Sahala amin'ny sahona: mipetraka, toa lahy antitra, mitsambikina, toa tovolahy
latina
179.
Rangahibe no tratr'andro, Rafotsibe no nanadala azy
latina
180.
za-drano toa amalona antitra
latina
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0314