Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
241.
Toy ny tongotra vakivaky, sady maharary no mahamenatra
latina
242.
Jamba misikidy: mahita masoandro ho an'olona, fa tsy mahita mazava ho an-tena
latina
243.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
244.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
245.
Lomanon'ilay jamba, ka izay hidonan'ny loha no hiakarany
latina
246.
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan'ny mazava
latina
247.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
248.
Feony ihany, hoy ilay jamba mitsapa tafondro
latina
249.
Ombivavy no marary, ka ombilahy no saram-panà fana
latina
250.
Marary mahatelin-kanina: mampisalasala ny mpitsabo
latina
251.
tsabo mararin'antoby, ka ny marary indray no miandry sotro
latina
252.
Dradran'Isoamanaraka: asian'ody vao mitatra
latina
253.
aza manao fanafodin-dRabetsiafindra: mahay ho an'ny olona, fa tsy mahay ho an-tena
latina
254.
Manita-draharaha toy ny sima misika
latina
255.
Vay an-kandrina, ka sarotra afenina
latina
256.
Aza mijery vay masaka, fa voin-kava-mahatratra
latina
257.
botry milaoka, ka tambavian-koman-kena
latina
258.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
259.
Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
latina
260.
sotrobe volo: sady fanilo no fandoarana
latina
261.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
262.
Sady tia bory no tia mana-tandroka
latina
263.
Zana-balala tsy mahatratra ny lanitra
latina
264.
Mifanety malalaka toy ny nifim-boalavo
latina
265.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
266.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
267.
Mpaka rofia nahazo mpangalatra, vonona ny kofehy hamatorana
latina
268.
vorondolo miaraka amin'akoho: mitaha fa tsy mba havanay
latina
269.
aza manao fody lahy mena, sady mandraka no homana
latina
270.
Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
latina
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136