Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste des proverbes, inséré par
latina
Insérer un proverbe
271.
amboa lahy miambozon-koditra: maniry hanina an-tenda
latina
272.
Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra, ny naotraka tsy niseho
latina
273.
Aza manao fierin-kanin-jaza: ny an-tanana, ariana, ny am-bava aloa.
latina
274.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
275.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
276.
aza manirina omon-tsy afaka aina
latina
277.
Atody tsy miady amam-bato
latina
278.
Ny toerana no tsy lavorary, ny trano atsimo sy avaratra no mifanaratsy
latina
279.
Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona
latina
280.
Toy ny aretin'omby ny teny, ka izay mirehodrehoka no hifindrany
latina
281.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
282.
Ady amin'adala ka ny hendry no miala
latina
283.
Ady tsy ahi-mahatratra
latina
284.
Ny ady tsy tra-mahahery vava
latina
285.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
286.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
287.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
288.
Tsy miady, sahala; ka hiady, hisy resy
latina
289.
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsoka
latina
290.
Tandremo ny hanan-drariny, fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saro-mifanaikitra.
latina
291.
Tsingala sy dinta: raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, atambo.
latina
292.
Isika roalahy toy ny vato falia sy ny vanja: ka isaky ny mihaona mitselatra ihany
latina
293.
Tsy mba haikaika hifanaovana ity, fa tsontsori-mamba hisarahana
latina
294.
Tafondro natifi-baratra, ka tafahaona samy loza
latina
295.
Ny ao ampon'ny siny mangatsiaka, fa ny ao am-pon'ny vilany mahamay
latina
296.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
297.
Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
latina
298.
Tsikovoka sy fandiorano: volo no iraisana, fa ny fomba samy manana
latina
299.
Totozy sy voalavo: iray volo, fa tsy iray raharaha
latina
300.
Lon-damba sy fahenim-bary, ka izay maharitra ela dia herinandro.
latina
First
Previous
8
9
10
11
12
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126