Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
331.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany.
latina
332.
Aza manao fihavana-molotra tezitra vao mifanantona
latina
333.
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
latina
334.
aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
latina
335.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka.
latina
336.
Ataovy fitia landy hazo: ka ny madilana tentenana, ary ny maito tohizana.
latina
337.
Mifankatia amin'amalona, : ka nony sendra tia, nabolilany
latina
338.
Mody tsy tia, koa lefaka
latina
339.
Tia ihany ka be malo
latina
340.
Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?
latina
341.
Zavarin'ny fitia manan-tombo ka intselo no miarahaba.
latina
342.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory, ka tsara raha mifanaja.
latina
343.
Ny fo tsy mandringa, ka raha mandalo aho mitsidika ihany.
latina
344.
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina
latina
345.
Raha revom-potaka, rano no manala, raha revon-teny, vava no manala, raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
latina
346.
Mpisakaiza to mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
latina
347.
atody tsy afindra reny, ro tsy afindra vilany
latina
348.
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra.
latina
349.
Ny kary aza mitsaoka amin'Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana.
latina
350.
Toy ny jaka: tsy hanin-kahavoky, fa nofon-kena mitam-pihavanana.
latina
351.
Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany.
latina
352.
Fihavanan'ny Mamoladahy: tsy mihavana roa taona.
latina
353.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka.
latina
354.
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
latina
355.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
356.
Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila.
latina
357.
Ny halavoana tsy maha lehibe
latina
358.
Aza atao famaky manan-tsiny amin'izay kiakiak'akoho
latina
359.
Sabora raiki-molaly: na manitra aza mangidy
latina
360.
Ny tsiny toy ny rivotra: mikasika ny tena, fa tsy hita tarehy.
latina
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0862