Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4591.
saingy nahita ny akanga tsara soratra ve ka manary ny akoho taman-trano
antsiry
4592.
Ny tendrombohitra tsy mihoatra an'Ankaratra, ny lohasaha tsy mihoatra ny lempona fa raha avo ihany tsy misy ohatra an'Andriamanitra
bobone
4593.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
4594.
manaonao foana ohatran'ny mpivady tsy miteraka
vanjanofy
4595.
rehefa tsy mety hono ny atao na ny ranovola aza misy voay
vanjanofy
4596.
Aza manao toy ny lela, ka sady miteny soa no miteny ratsy.
saharoy
4597.
Ny nify, sady haingo no fahasalamana
saharoy
4598.
Fatra-pitady ny manganana, ka ho sendra ny mangidy tsy telina
Silo
4599.
Jerem-potsiny ohatran'ny varin'amboa mahamay
herikely
4600.
Miaramila be nify ka tsy mandalo katsa-maina
herikely
4601.
valala manidina ka asiana sira
herikely
4602.
Sambo-balala main'andro, tsy azoko androany azoko rahampitso
herikely
4603.
Tanora mamboly hazo, antitra manan-kialofana
herikely
4604.
Manao fahanteran'alika ka antitra vao misary gaigy
herikely
4605.
Hano ny hanina fa ny harena mila vintana
herikely
4606.
Ataovy toy ny fihavanam-bary ka antsaha tsy mifanary antanaty tsy mifandao
herikely
4607.
Havan-tiana tsy iaraha-monina
herikely
4608.
Mahita anay lavi-kavana ka manati-kabary mena masoandro
herikely
4609.
Tsy adala aho fa ny lambako no mavomavo
herikely
4610.
Aleo very tsikalam-bola toy very tsikalam-pihavanana
turbo
4611.
Deda-tsy mailo toy ny lalitra, ka eny ambony tranon-kala no manao sora-dihy
audoo
4612.
aleo very
titibah
4613.
Ndra soa volo GNAKANGA, AKOHO ro mahafa-kegnatsy. =Na tsara volo ny akanga ny akoho foana manala hanatra=
Etienne
4614.
LAMBO mihota vitike, mba sitrany gny vaza mihetsike
Etienne
4615.
Gny solanga ro voa patsoke, ka gny sola ro mitolitolike.
Etienne
4616.
banga mitelina voajobory an-kibo milalao kanety
caloh
4617.
raha tina ny vady ny rafozana no tsindrovi- mandeha
caloh
4618.
ny anambadi-kiadanana
caloh
4619.
ny teny toy ny rano ka raha latsaka tsy azo raofina
ravi
4620.
aleo mifanena pamozavy toy izay mifanena amin'ny pandainga
ravi
Voalohany
Mialoha
152
153
154
155
156
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.03