Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4561.
Tena vonona ohatran'ny vadivao miakatra alina
Lebiry415
4562.
Tarondro mibaby antely : ratsy fa mitondra raha tsara
Lebiry415
4563.
Ny endriky ny olona dia milaza ny miafina ao am-pony
Onira
4564.
Aleo mamisavisa lalan-dratsy misy iviliana toy izay manantena lalan-tsara mandentika.
Onira
4565.
Tovolahy manambady anti-bavy, tolomina toa Renibe avela anefa anjaran'ny tena
arson
4566.
sola mangery diavolana ka tsy fantatra intsony ny lohany sy ny vodiny
rindraintsoa
4567.
ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolan-kolana
rindraintsoa
4568.
akoholahin'Antanantanana ka ny feony fotsiny no manga fa ny volom-bodiny ringitra
rindraintsoa
4569.
mpanankarena manjono ka tsy mahazo naman'ny vonona ary raha mahazo atao fanampin-daoka
rindraintsoa
4570.
misososo toa ny vinanto tsy mahare fosa
belobe
4571.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
4572.
Ny lainga toy ny salaka ka iray mihodidina iany
tia
4573.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
4574.
hoy ny foko Bara: Roboky lahy gny hatea sata gny fahalegna
Kinga
4575.
tsy ny adala no adala fa izay manadala ny adala
bellla
4576.
Izay ela fiemboka may lamba
vats
4577.
Rafotsibe omam-bomanga ka kenda nasesiky ny tanany
tovolahy007
4578.
Misaotra vady tanora ka manome zara ho an'ny sasany
tovolahy007
4579.
aza varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso
tovolahy007
4580.
Aza mitsipa-doha ny laka-nitahana
tovolahy007
4581.
Bevohoka mitsidika ka na dia mbola eny ivelany aza ny vatana, ny kibo efa tafiditra.
hahaha
4582.
Traky nify mamangy ka eny ambavahady dia efa mivaniaka.
hahaha
4583.
Ampongaben'ny Mandritsara, tsy niany narignesana
Antanantsimihety
4584.
manalasala ohatryny manambady traky nify ato eo aloha atahorana hitsiky @hafa atao aoriana atahorana hanaikitra
dadou
4585.
izay maha vangivangy tia-kana
minha
4586.
Vitsika nitondra valala: ny kibo hasiana tsy misy fa madilana ; ny deraderany no tsy toha.
soanja
4587.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany.
soanja
4588.
Vitsika nahazo valala: zakan'ny aina, fa tsy omby ny vava.
soanja
4589.
Volom-bodin'akoholahy malaza: tsara ihany fa any ivohon'ny namany.
soanja
4590.
Za-drano, toa amalona antitra.
soanja
Voalohany
Mialoha
151
152
153
154
155
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809