Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4561.
tsy ampy tsy lany ohatran'ny vady ao an-trano
miara
4562.
Didimaso an-danonana ka mitomany mahita soa
miara
4563.
ny vola dia toy ny volon-korona, kely ongotana marary be ongotana marary
miara
4564.
aza manao tokim-bokindy, ka ny molony malemy indray no miandry tanana
miara
4565.
maty be tampon-kindy, ka voninahitrin'ny tompombady
miara
4566.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
4567.
biko voky no solom-bady manafosafo
rarisoa
4568.
Mahita ny Ankanga tsara soratra ka manary ny Akoho tamana an-trano
florenciah
4569.
ny bibin-tsaonjo aza tsy atahorako ka bibim-bomanga ve handosirako?
mbelo
4570.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ny tany tsy refesina
mbelo
4571.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ary ny tany tsy refesina
mbelo
4572.
sola loha mividy fihogo, ka maha lasa ny saina hoe:ny volom-bava no atao soro-bilana sa ny volon-tratra no atao vaky tampona
ralevha
4573.
Aza manao tahaka ny pot ka anaovan-dratsy vao velon-kira
naritsimba
4574.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero: ka raha pizina, latska an-kady
tia
4575.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona
tia
4576.
fatrapitady ny tsy hita ka manary ny hita maso
tia
4577.
Ny tompon'alahelo leo ihany, fa ny mpamendrofendro no tsy tanty
tia
4578.
Sarotin'alahelo ka tia tsiri-pasana
tia
4579.
Toy ny aretina ny alahelo: ka ao ny morainy, ao ny sarotiny
tia
4580.
Tsy mandidy alohan'Andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina
tia
4581.
Ny alahelo toy ny rahona: rehefa mavesatra mianjera
tia
4582.
Ny alahelo toy ny raki-malala: ka raha tsy ny olon-tiana tsy amerahana azy
tia
4583.
Ny olombelona tsy miditra am-pitarihan-tokana
tia
4584.
Ny olombelona tsy fo vato fa fo emboka
tia
4585.
Hazo tokana tsy mba ala
avld
4586.
Aza atao toy ny sotrobe hazo ka hita tsy mahafaly, very tsy mampalahelo
naritsimba
4587.
Aza atao toy ny sotro be hazo ny vady, ka hita tsy mahafaly very tsy mampalahelo
naritsimba
4588.
Vadin-joky kilalaon-jandry
lotus
4589.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
4590.
fitia voamaintilany no tapany roa mifameno, fa raha siny feno rano mora mitobaka
rivah
Voalohany
Mialoha
151
152
153
154
155
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0294