Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4741.
anao aho ka mora, fa raha anon'olona aho dia sarotra
sissia
4742.
Ny hazo no voatoratoraka dia noho ny voany
marozevo
4743.
Tsy misy dondrona toy ny kisoa, fa rehefa tezitra manondro molotra.
marozevo
4744.
Tsy misy lehibe toy ny vato, fa rehefa tsy miteny, anaovan'ny vorona maloto.
marozevo
4745.
Jaolahy nitrongy votry ka mavon'ny nataony!
andry44
4746.
Manaova toy ny Tantely, maty namela mamy
tovolahy007
4747.
Tanora mamboly hazo, antitra misy ialofana
tovolahy007
4748.
ody varatry Mompera ka de ny aza voany iany
tovolahy007
4749.
Anam-baly tsy atao anaky
roscarb
4750.
Anà ty do tsy maintsy vanda
roscarb
4751.
Ka manao iano resy an-dômy, ka malahelon-kany
roscarb
4752.
Ka manao alahelon-tsitsiky ka hiakendry @ ty tsy misy antony!
roscarb
4753.
Vezon'ny manombo, laha moly ka mandroaky aomby miamboho!
roscarb
4754.
Manombo tea laoke, tsy manisa ranaotse!
roscarb
4755.
Mantsitsiny ahy tsy hangalako FIP
roscarb
4756.
Mizelazela ka te ho hita, manahaky mpamarakin'ny Tsianaloke
roscarb
4757.
Manao tsy tea ka latsak'anaky
roscarb
4758.
Ka mba tea bory, tea manan-tsifa!
roscarb
4759.
Ze aloha mpanapa-doha, ze anivo mpanarivo, ze afara mpanapa-dala
roscarb
4760.
Ry iano ambaran'olo ty mahity, mamalan-kira avao
roscarb
4761.
Ka tea mianatry sinjan'olo tsy hiravoky
roscarb
4762.
Volano ty momba anao tsy havay
roscarb
4763.
Le andeso mberoa ty raha mahazo anao tsy hifindra amiko
roscarb
4764.
Ny hitsitokotokoan'ny lohany, hahasamihafa ny heviny
marozevo
4765.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
4766.
Ny tehina entin-dray aman-dreny, ny teny entin-joky, fa ny entana entin-jandry
marozevo
4767.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
4768.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
4769.
Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androan-tokom-pitiavana.
marozevo
4770.
Sira raraky andriaky, tsy vaovao fa teo no niala!
roscarb
Voalohany
Mialoha
157
158
159
160
161
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1123