Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
481.
Mandihizy rahitsikitsika hianaranay raha fararano
niryna
482.
Ny fahendrena dia aren-tsarabidy ka tsy misy na iray aza afaka mangalatra azy
niryna
483.
Mamono biby tsy mahafatsy ka hifotoran'ny rambony
niryna
484.
Mody tsy miady aho hoe, tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany
niryna
485.
Ny tanety lava misy hisainana
niryna
486.
Izao isika izao dia tsy misara-mianakavy, velona iray trano, maty iray fasana
niryna
487.
Aza manao fitan-droa toy ny mpampirafy, mamy ny atsy, tsy fohy ny aroa
niryna
488.
Ny zaza tiana tsy hotsitsiana ratsan-kazo
niryna
489.
Tsy ahy ny lelo ka aiko ny manisina
niryna
490.
Tonga namana vao mavomavo toy ny ranonan'ony.
niryna
491.
Asa vadi-drano tsy vita tsy ifakonana.
niryna
492.
Ny afo, ny rivotra ary ny orana no namana indrindra sy fahavalo ratsy indrindra
niryna
493.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa
niryna
494.
Izay mihita be no tsy lanin'ny mamba
niryna
495.
Ny valim-piakarana, fidinana ary ny vali-fingika fingaka
niryna
496.
Fatra-pifidin'ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
497.
Tsy misy marenina noho ireo izay tsy miheno
niryna
498.
Aza mangidihidy hatraorina
niryna
499.
Ny ranomaso no zavatra sarotra atelina indrindra
niryna
500.
Ny tapany ihany no mikobana.
niryna
501.
Maty izay vao hoe ra-malala, ny voninkazo eny an-tanan'ny olona tsara foana
niryna
502.
Aza tsaraina amin'ny fonony ny boky fa tsy fantatrao izao ao anatiny
niryna
503.
Raha tsy nahomby ny voalohany, tohizo indray ny fanandramana faharoa.
niryna
504.
Raha tsy mandroso izy dia izy ihany no tavela eo.
niryna
505.
Raha misy ny setroka, misy ny hay trano.Tsy tonga ny ady raha tsy tonga ny mpitati-bolana
niryna
506.
Aza isaina ny akoho izay mbola any an-kibon-dreniny
niryna
507.
Aza mandrava raha tsy mahafantatra ny famerenana azy
niryna
508.
Ny ahitra dia maitso foana eny an-tanin'olona
niryna
509.
Tsy hanan-karena mihitsy hianao raha ny hanisa ny volan'ny hafa eo.
niryna
510.
Raha hihomehy hianao dia hiara-hihomehy aminao ny rehetra, raha mitomany hianao dia hianao irery ho hiaran'izany
niryna
Voalohany
Mialoha
15
16
17
18
19
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0717