Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
451.
Aza manao an'Atra tsy misy ka mitsambiki-mikipy
niryna
452.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana
niryna
453.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy ny tiana
niryna
454.
Mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena
niryna
455.
Mifosa tena toy ny mifosa vady
niryna
456.
Ny tokan-trano tsy ahahaka
niryna
457.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra
niryna
458.
Tanora nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
niryna
459.
Maty voky toy ny vadina miaramila
niryna
460.
Mitafa amin'ny mpanan-karena ka mita-kitay atao hiditrano
niryna
461.
Ny fitia toy ny ketsa ka raha maniry mora hafindra
niryna
462.
Mandray tsy raisina toy ny tsipolitra antitra
niryna
463.
Tonga ho azy toy ny vinanto tsy mahare-fosa
niryna
464.
kely masiaka toy ny sakay tsilanindimilahy
niryna
465.
Ny fitiavana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
niryna
466.
Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
niryna
467.
Tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
niryna
468.
Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka
niryna
469.
Izay mahakolokolo no manana ny soa
niryna
470.
Na ny adala aza rehefa tsy miteny dia azo lazaina fa hendry ihany
niryna
471.
Aleo fahalalana toy izay volamena voafantina
niryna
472.
Ny eloky ny ray tsy ba eloky ny zanaka
niryna
473.
Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa mihinana ny masiso be herinandro
niryna
474.
Aza manao lainga marivo tototra ka ahelin'ny akoho tokan'anaka
niryna
475.
Tsy tokony hametraka vatokely eo an-tokontany ireo mipetraka ao an-tranom-pitaratra
niryna
476.
Izay ataonao amin'olona ihany no ataon'ny olona aminao.
niryna
477.
Ny valim-piakarana, fidinany
niryna
478.
Ny mpanao ratsy dia miverina amin'ny toerana nanaovany ratsy ihany.
niryna
479.
Tsy afaka hianatra baiko intsony ny alika antitra
niryna
480.
Ny fahasalamana dia ambony lavitra noho ny fananan-karena
niryna
Voalohany
Mialoha
14
15
16
17
18
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0893