Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
511.
Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka
hery
512.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
513.
Toy ny lel'afo be latsaka avy an-danitra ny fahatarana(@olona) ka sarotra vonoina nefa mampijaly
tiaviniainagasy
514.
Tsy misy fitia herin-taona, fa fonenana no sisa
iMaditra
515.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
516.
"Tandremo sao manao Akoholahin'ambohimangidy, ka domina vao maneno"
Rafanomezantsoaa
517.
Asa atao ankira,vita tsy natao.
heriy
518.
Tanala very sampy,miverina amin'ANDRIAMANITRA no mety
Damihar'sS
519.
Zavatra tsy hay tsy ibitabitahana
AllBlacks
520.
Andevo lahy mangery anjezika,fahavaratra aza miloloha ny tainy
Damihar'sS
521.
Tsy mahalala ny tata-body ka mifitra amin'ny antsy maranitra !
Kdaombaramita
522.
"Maniraka zaza tsy nateraka mahabe vatan'orona"
Shcwarzeneric
523.
"Andrakandrana no nampihinan~tay ny kisoa"
Shcwarzeneric
524.
"Manalasala toin'ny mamely renin'kisoa, hitsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra"
Shcwarzeneric
525.
Behivoka miara-matory ka mihorirana indray vao maika tery
madacarsservice
526.
Lanonana ity fa ny amboa no ambeno
raz_sylvio
527.
Aza sarotiavina tahaka ny pô ka amanizana vao velon-kira
Rafanomezantsoaa
528.
"tano ny hazo fa sarotra ny mila"
herivola35
529.
Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"
Razakasoa-joda
530.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
531.
Tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy?
aina no fetra
532.
NY VOLA FITADY,NY AINA FANARY
Damihar'sS
533.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
534.
Akoho kely miambozona tady mahazaka ka mitondra ny tsy heran'ny aina.
Kdaombaramita
535.
Kely be raharaha toa fangaraka ka ny trano atao, ny feta taomina, ny farara tsofina
Nofy Ny Fitia
536.
Toerana nahavokisana tsihy hitoerana ela
madacarsservice
537.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
538.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
539.
Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanànana tsy mifandaho.
0000
540.
Aza kely fisian-kavana loatra.
sylvianna
Voalohany
Mialoha
16
17
18
19
20
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.029