Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
451.
Tsy mahalala ny tata-body ka mifitra amin'ny antsy maranitra !
Kdaombaramita
452.
"Maniraka zaza tsy nateraka mahabe vatan'orona"
Shcwarzeneric
453.
"Andrakandrana no nampihinan~tay ny kisoa"
Shcwarzeneric
454.
"Manalasala toin'ny mamely renin'kisoa, hitsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra"
Shcwarzeneric
455.
Behivoka miara-matory ka mihorirana indray vao maika tery
madacarsservice
456.
Lanonana ity fa ny amboa no ambeno
raz_sylvio
457.
Aza sarotiavina tahaka ny pô ka amanizana vao velon-kira
Rafanomezantsoaa
458.
"tano ny hazo fa sarotra ny mila"
herivola35
459.
Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"
Razakasoa-joda
460.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
461.
Tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy?
aina no fetra
462.
NY VOLA FITADY,NY AINA FANARY
Damihar'sS
463.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
464.
Akoho kely miambozona tady mahazaka ka mitondra ny tsy heran'ny aina.
Kdaombaramita
465.
Kely be raharaha toa fangaraka ka ny trano atao, ny feta taomina, ny farara tsofina
Nofy Ny Fitia
466.
Toerana nahavokisana tsihy hitoerana ela
madacarsservice
467.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
468.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
469.
Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanànana tsy mifandaho.
0000
470.
Aza kely fisian-kavana loatra.
sylvianna
471.
Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dansy,ka raha madilana,azo tohizana.
sylvianna
472.
Aza manao fitia mifono avona.
sylvianna
473.
Aza manasakaiza vahiny
sylvianna
474.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
475.
Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.
sylvianna
476.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela.
sylvianna
477.
Ataovy fitian-dranon'erika:madini-pihavy fa mahatondra-drano.
sylvianna
478.
Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.
sylvianna
479.
Mandreran-tena otran'ny alika manenjika môto
Rafalimanantsoa
480.
Voreke ty to, tsy ambara longo
vorihery
Voalohany
Mialoha
14
15
16
17
18
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0324