Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
451.
Ny anjara tsa mba miolaka
OZ16
452.
Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka
OZ16
453.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
454.
Ranobe tsy tetezin-doha
OZ16
455.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
456.
Aza mitari-bady tsy lasam-bodiondry
OZ16
457.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
458.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
459.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
460.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy
OZ16
461.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
462.
Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te hahita vodi-kifafa
OZ16
463.
Bangon-takatra ka indray mikopaka dia vita
OZ16
464.
Gny vorom-potsy tsy lavits'agnomby
OZ16
465.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
466.
Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana
OZ16
467.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
468.
ny heloka ibabohana mody rariny
OZ16
469.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
470.
Gny nahalava moko gn'akanga dra gny mitao
OZ16
471.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
472.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
473.
Tsy ampy tsy lany toy ny sola vaohina
OZ16
474.
Izay mitovy ro milambagna
OZ16
475.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
476.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
477.
Tsa mahalala ny poketra misy vola fa ny dangon-tsakay ro atao an-kelika
OZ16
478.
Ny tsa tea ro miedika
OZ16
479.
Ny ômby hena, ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka fa ny ona ro ona
OZ16
480.
Izay to fo mpamosavy
OZ16
Voalohany
Mialoha
14
15
16
17
18
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121