Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5461.
Aza manody ny voky goavy!
JMR
5462.
Aza miady amin'ny adala
JMR
5463.
Aza manao fiavin'ny tafara
JMR
5464.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
5465.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
5466.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana
JMR
5467.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
5468.
Ny mitelin-kafatra mahabe kibo
JMR
5469.
Nalain-kanirina vao namandravandra
JMR
5470.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
5471.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
5472.
Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany
JMR
5473.
Aza manao vato manoha-riana
JMR
5474.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
5475.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
5476.
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay iray hamarara
JMR
5477.
Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
JMR
5478.
Ny ela nihetezana lava volo
JMR
5479.
Aza be famaritra toa rambon'osy
JMR
5480.
Ity vao tay fa vokatra ny vomanga
JMR
5481.
Mitoditodika hoatrany olona mangery amoron-dalana
pablo
5482.
Izay mahasahy maty no mifono lambamena
JMR
5483.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
5484.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
5485.
Ny lasa tsy manao veloma naman'ny tezitra
JMR
5486.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
5487.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
5488.
Aza manao vain-drahalahy tsy mba marary
JMR
5489.
Aza manao lalan-kita-kisoa
JMR
5490.
Ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo
JMR
Voalohany
Mialoha
181
182
183
184
185
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.099