Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5461.
Tsongoy fon-tena tsongoy fon'olona
JMR
5462.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
JMR
5463.
Maimay hoatran'ny boka hanambady
JMR
5464.
Aza mba tapohi-tsoa ka manevika
JMR
5465.
Trafon-kena ome-mahery ambava homana am-po mieritreritra
JMR
5466.
Tovovavin'Ambohimanarina, votsa saina fa kinga fitombenana
JMR
5467.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
5468.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
5469.
Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
JMR
5470.
Lolo manatona afo, mitolo-tena ho may
JMR
5471.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana
JMR
5472.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
5473.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
5474.
Izay voky no maharaka ny namany
JMR
5475.
Aza manody ny voky goavy!
JMR
5476.
Aza miady amin'ny adala
JMR
5477.
Aza manao fiavin'ny tafara
JMR
5478.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
5479.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
5480.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana
JMR
5481.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
5482.
Ny mitelin-kafatra mahabe kibo
JMR
5483.
Nalain-kanirina vao namandravandra
JMR
5484.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
5485.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
5486.
Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany
JMR
5487.
Aza manao vato manoha-riana
JMR
5488.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
5489.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
5490.
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay iray hamarara
JMR
Voalohany
Mialoha
181
182
183
184
185
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0245