Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5521.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
5522.
ny dobo tsy hita no mahamanina
JMR
5523.
Ny ela maha-iray roa
JMR
5524.
Ny torimaso no itovizana amin'ny mpanankarena
JMR
5525.
Izaho ve no voky ka hianao no mantsin-drezatra?
JMR
5526.
Ny toerana nahavokisana tsy ipetrahana ela
JMR
5527.
Mahaiza manararaotra fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
JMR
5528.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
5529.
Hariva an-tanin'olona toa vitsika momba kitay
JMR
5530.
Rafotsy be mangetotra an-tsena : laza no tadiavina!
JMR
5531.
Ny alika no miverina amin'ny naloany
JMR
5532.
Raha noana ny nofo mivezivezy ny fanahy
JMR
5533.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hiady vomanga
JMR
5534.
Tsy misy mangidy noho ny sakay fa rehefa teny ierana dia hanina
mandrindra
5535.
Aza manao volo ngita mifandray tendro
mandrindra
5536.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa atovy fihavanan-dandy ka raha madilana azo tohizana
mandrindra
5537.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
5538.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana; koa raha maray ny vava misafo ny tanana ary raha marary ny tanana mitsoka ny vava
mandrindra
5539.
...nefa raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario
jentilisa
5540.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana
mandrindra
5541.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
5542.
Ny firaisankina no hery
mandrindra
5543.
Ny mitabe tsy lanin'ny mamba
mandrindra
5544.
aza mijery arina an-tava
jentilisa
5545.
Andevolahy mangery an-jezika ka izy ihany no hiloloha azy
nounoum
5546.
Mamanta-tany foana toy ny havandra tonga ririnina
mandrindra
5547.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
5548.
Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
mandrindra
5549.
Ny lainga mampitsolantsolana andro ilazana fa mampivalomainty raha mifanatrika
mandrindra
5550.
Omaly ianao nisolanga ho tandrony, anio ianao nisafelika ho sofiny
mandrindra
Voalohany
Mialoha
183
184
185
186
187
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0763