Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5611.
Lainga sy fitaka tahaka ny ranomasom-boay
jentilisa
5612.
Mamba noana tsy mahamasi-panidy
jentilisa
5613.
Tanala very sampy ka ny manova no mety
jentilisa
5614.
Tsy nandre sa tailam-pandrenesana no mitondra teny tanora?
jentilisa
5615.
Ny teny malefaka mahamora harena
jentilisa
5616.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia
jentilisa
5617.
ny vava toy ny voro-damba ka mitriatra etsy mitriatra eroa
jentilisa
5618.
Mampiteny ny moana
jentilisa
5619.
Mitsaha-ketrika toy ny sosoa voatapo-drano
jentilisa
5620.
Malagasy iray ihany.
jentilisa
5621.
Tsapatsapa vodin'akoho : raha tsy tay dia atody
JMR
5622.
Mitsako tsy re, ka kenda vao hoe domy aho Ranaotra a!
JMR
5623.
Mifankatia amin'ny amalona : ka nony sendra tia, nabolilany
hery
5624.
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra
hery
5625.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
5626.
Nify sy molotra, ka ny mahery no afaka aloha
hery
5627.
Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy
hery
5628.
Rafotsibe mita rano ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra
hery
5629.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, zanahary tsy omen-pondro fa ny olombelona no be siasia
hery
5630.
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
hery
5631.
Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
hery
5632.
Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa
hery
5633.
Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany
hery
5634.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
hery
5635.
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
hery
5636.
Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
hery
5637.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
5638.
Tsy nandre, sa tailana nandrenesana, no mitondra teny tanora ?
hery
5639.
Manjilajilatra ohatry ny feo vantony
hery
5640.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha
hery
Voalohany
Mialoha
186
187
188
189
190
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0246