Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5491.
miova sata miova andriana
jentilisa
5492.
mitombo an-dalana toa dian'andriana.
jentilisa
5493.
ny fanoron-dratsy no miverina ilalana
jentilisa
5494.
sokina ambody voaroy: alain-tsy azo, avela mahamanina.
jentilisa
5495.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
5496.
mitelin-kafatra mahabe kibo
jentilisa
5497.
mateti-piavy toa sotrokely
jentilisa
5498.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
5499.
rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy azo andraofana
jentilisa
5500.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
5501.
Aviavin'Imaroadabo, vao donina dia mirarak'ompana.
jentilisa
5502.
Fitia tany, velona irezarezana, maty itsilanesana
jentilisa
5503.
Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana
jentilisa
5504.
Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina ( hitsakitsahina)
jentilisa
5505.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
5506.
Izay tsy miady olom-bodo, izay to fo mamosavy.
jentilisa
5507.
Ny alika mivovo tsy manaikitra
JMR
5508.
Sanatriavin'ny vava ladinin'ny lela
JMR
5509.
Tsy matoky saka fa trondro ny laoka
JMR
5510.
Ny maso mijery tsy mitondra mody
JMR
5511.
Atody miady amim-bato
JMR
5512.
Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
JMR
5513.
Basy atifi-kavana ka arangaranga
JMR
5514.
Miharihary hoatran'ny kary an'efitra
JMR
5515.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
5516.
Aza sarotiny alohan'ny tompony
JMR
5517.
Aza sarotiny alohan\'ny tompony
JMR
5518.
Horakoraka ny an'ny sahona fa tsiboiboika no tompon'ny rano
JMR
5519.
Tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana.
jentilisa
5520.
Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
182
183
184
185
186
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0748