Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
541.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana
Fanja1
542.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
543.
Mpiasabe vonton'anatra, eny an-tsena avy no manao mbay ilalana
jentilisa
544.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
545.
Manao olona milakamilaka nefa ataon'olona milaka mihohoka
hanta77
546.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
547.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
548.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
549.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy fa mora lasa.
lanto
550.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
lanto
551.
Tsy hivady angaha no manao ianareo
sahoby
552.
Aza manao kitapo hamelana ny lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka
hery
553.
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana.
hery
554.
Aza manao toy ny jorery, ny feo mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava.
hery
555.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
556.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
557.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
558.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
559.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy, ka mitsambiki-mikipy
eugene
Voalohany
Mialoha
17
18
19
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0436