Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
31.
"Samy manana ny fiainana,ka aza mialina ny vitako fa manaova mba ho itako."
aer0jhony
32.
Aza manao ratsy,fa ny tsara dia manamarina ny tena
hasina45niaina
33.
Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.
Rakotoaly
34.
Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka
Rakotoaly
35.
Ka manao tana mahay vata
Longonao
36.
MANAOVA NY SOA DIENY MBOLA VELON'AINA
ANDRIAMENA45
37.
Banga mihinam-boanjo-bory , am-body manao kanety
ravelobe
38.
boka manao slow, raharaha ny mba te hanao zay mba ataon 'ny olona e
ravelobe
39.
boka mianatra bisikileta, vo manombaka tonga dia manao tsy an-kitazona
ravelobe
40.
"Aza mamaly ratsy amin'ny ratsy,fa aleo mivavaka sy manao soa aminy"
manirii
41.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
42.
Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra
yveratsimb
43.
Aza manao valifatin'ilay fo menarana.
niryna
44.
Izay manao ny rariny manao hitsiny
yveratsimb
45.
Tailan-doha manao soro-bilana ka ampihilana ny efa nivilana
Tahminah
46.
Aza manao ahy sy azy
yveratsimb
47.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
48.
Aza manao hoe : " an'ny lehilahy ihany", na hoe " an'ny vehivavy ihany"
yveratsimb
49.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
50.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
51.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
52.
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena
yveratsimb
53.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?
yveratsimb
54.
Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva
yveratsimb
55.
Aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana.
yveratsimb
56.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
yveratsimb
57.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
yveratsimb
58.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany
yveratsimb
59.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
60.
Aza manao toa ny saka, hiady vao mifampitsodrano
yveratsimb
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0684