Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
31.
Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.
Rakotoaly
32.
Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka
Rakotoaly
33.
Ka manao tana mahay vata
Longonao
34.
MANAOVA NY SOA DIENY MBOLA VELON'AINA
ANDRIAMENA45
35.
Banga mihinam-boanjo-bory , am-body manao kanety
ravelobe
36.
boka manao slow, raharaha ny mba te hanao zay mba ataon 'ny olona e
ravelobe
37.
boka mianatra bisikileta, vo manombaka tonga dia manao tsy an-kitazona
ravelobe
38.
"Aza mamaly ratsy amin'ny ratsy,fa aleo mivavaka sy manao soa aminy"
manirii
39.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
40.
Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra
yveratsimb
41.
Aza manao valifatin'ilay fo menarana.
niryna
42.
Izay manao ny rariny manao hitsiny
yveratsimb
43.
Tailan-doha manao soro-bilana ka ampihilana ny efa nivilana
Tahminah
44.
Aza manao ahy sy azy
yveratsimb
45.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
46.
Aza manao hoe : " an'ny lehilahy ihany", na hoe " an'ny vehivavy ihany"
yveratsimb
47.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
48.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
49.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
50.
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena
yveratsimb
51.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?
yveratsimb
52.
Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva
yveratsimb
53.
Aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana.
yveratsimb
54.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
yveratsimb
55.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
yveratsimb
56.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany
yveratsimb
57.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
58.
Aza manao toa ny saka, hiady vao mifampitsodrano
yveratsimb
59.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
60.
Aza manao fikitra mampiady angely
yveratsimb
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6528