Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
91.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
92.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
93.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
94.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
95.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
96.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
97.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
98.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
99.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
100.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
101.
Aza manao hajejojejoan'ilay Ikala vao miana-dahy ka mosoara iray ihany no hamelomana fera
kimbol
102.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
103.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
104.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
105.
Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava
niryna
106.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
107.
Aza manao fanirin-drambon'omby, ny raviny indray no ambany.
aivetinakely
108.
Aza manao tahaka ny tsipolotra, antitra vao tia sangy.
aivetinakely
109.
aza manao amboa nidesina manitry! mahazo ny ilany
xavier206
110.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty na ny zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
niryna
111.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
112.
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
113.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
114.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
115.
Aza manao vono-moka
niryna
116.
Manao loham-balala ka misarika ny tainy.
aivetinakely
117.
Tapotapohan'ny Jerosalema ka manao lakoroa bozaka
Manatsiala
118.
Bingo manao mantso ka misalovana ny anjara toeran'ny sasany.
aivetinakely
119.
Banga manao solo-nify, afa-kenatra eo am-pihomehezana fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
Raherizo
120.
Aza manao vatam-balala ka miharo ihany ny lohany sy tainy.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0189