Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
151.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no veleziny!
sylvoalias
152.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana
niryna
153.
Manao an'Atra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
154.
Aza manao ory hava-manana
niryna
155.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
156.
Aza manao vain-drahalahy tsy maharary.
aivetinakely
157.
Aza manao hoe raha ho ahy mihondrahondra, fa raha ho azy miongota velona.
niryna
158.
Aza manao anay ho tsinotsinona fa ny havanay avy any Dilambato jerena
niryna
159.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
160.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
161.
Izay manao ny fandrinany no tsy maintsy matory eo.
niryna
162.
Aza manao voron'azon'adala.
niryna
163.
Aza manao an'Atra tsy misy ka mitsambiki-mikipy
niryna
164.
Aza manao lainga marivo tototra ka ahelin'ny akoho tokan'anaka
niryna
165.
Aza manao fitan-droa toy ny mpampirafy, mamy ny atsy, tsy fohy ny aroa
niryna
166.
Aza manao boloky lahy homam-boaseva, fy ny atsy, mamy ny aroa.
ilanto
167.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
168.
Kristianina sandoka: mivoaka alina, mamosavy; mivoaka andro, manao risoriso.
ilanto
169.
Manao an'i Laborda tsy ho vazaha.
ilanto
170.
Manao Andriamani-tsy misy koa manambaka ny adala.
ilanto
171.
Manao Andriamani-tsy misy, koa manambaka ny adala.
ilanto
172.
Manao talily ren-dragnahary.
ilanto
173.
Aza manao havako raha misy patsa, fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
niryna
174.
Misy taranaka izay tsy misaotra ny rainy sady manozona ny reniny.misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
niryna
175.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-jafy intsony.
niryna
176.
Aza manao toy ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
aivetinakely
177.
Aza ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly.
aivetinakely
178.
Ny tena fahafinaretan'ny saina dia ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vitanao.
niryna
179.
Aza manao tahaka ny tsipolitra ka antitra vao tia sangy.
aivetinakely
180.
Mpiasa be voton'anatra ka manao mbay lalana an-tsena
rtol
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0181