Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahitra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahitra
Hampiditra ohabolana
31.
Kokokokon'akoho hoe ka tsy hanina hahavoky fa kosa voninahitra ifanomezana
sylvoalias
32.
Ny ahitra dia maitso foana eny an-tanin'olona
niryna
33.
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy, fa ahazo voninahitra kosa ny manetry tena
niryna
34.
Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona.
niryna
35.
Ny voninahitra omena an-tsobika, aza atao am-patam-bary.
aivetinakely
36.
Voninahitra omena ny tantely fa ny vomanga mba mamy ihany.
niryna
37.
Akoholahy mikokokoko akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana.
aivetinakely
38.
Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
latina
39.
Antitra kendam-bodiakoho ka omem-boninahitra indray vao mivadi-boamaso
ramix
40.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa, ary raha lava ny teny very ny soa.
oze34
41.
Vidin-kaja vidm-boninahitra
doum
42.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa ary raha lava ny resaka very ny soa
doum
43.
Henin-kaja, henim-boninahitra
JMR
44.
marary lava tahaka ny ahitra an-tsena.
jentilisa
45.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
46.
Valala tsy ampoky ny ahitra ka mifiaka ny antsoro maina.
jentilisa
47.
andao hitapatapak'ahitra sy hitorotoro ravina!
jentilisa
48.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
49.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
50.
Sarotra omem-boninahitra tahaka ny mandady hajaina
jentilisa
51.
Voninkazo manitra anaty ahitra, hosihosena vao mamerovero
jentilisa
52.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0842