Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ilaozan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ilaozan
Hampiditra ohabolana
31.
Alika miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena.
jentilisa
32.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
33.
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay iray hamarara
JMR
34.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
35.
Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
jentilisa
36.
Tana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
hery
37.
Ny teny toy ny tori-hisatra ; ka tsy ilaozan’ ny manjilatra
hery
38.
Antoandro faka ronono ka nilaozan'ny omby nihahaka
hery
39.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
McFy
40.
Ny teny toy ny tory hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
hery
41.
Atoandro fitery ronono ka ilaozan'ny omby mihahaka
jentilisa
42.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
43.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo; ka tsy ilaozan'izay mania
Fanja1
44.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
vale
45.
Toy ny saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan'izay mamarara
Fanja1
46.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
47.
Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan'izay mamarara.
lanto
48.
Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso
hery
49.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4413