Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe jamba
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
jamba
Hampiditra ohabolana
31.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
32.
Feony ihany, hoy ilay jamba mitsapa tafondro
latina
33.
manaotao foana toy ny jamba nanao lavaka
ndixa
34.
Maty vao mahiratra toy ny mpamosavin'ny jamba
DEDAKE
35.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
36.
Ny olona jamba ny vola fa ny alika jamba ny taolana.
ariel
37.
Ny alika jamban'ny taolana fa ny olona jamban'ny vola
Ingahy
38.
Jamba milomano ka izay hidonan'ny lohany no iakarany.
panjakely
39.
aza miasa jamba rafozana
doum
40.
Ny alika jamba nytaona, ny olona jamba ny vola, ny tanora jamba ny fitiavana
doum
41.
Jamba mifampitantana ka any akady no hiafarany
doum
42.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
43.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
44.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
45.
Aza manao soro-baton'ilay jamba efa voa vao mihilana
JMR
46.
Jamba mifampitarika, any an-kady no iafarany
jentilisa
47.
Jamba mamono vady ka:aiza ho aizan'iny itena? raha voan'izay tsy misy taolan-kalevina
jentilisa
48.
Soro-baton'ilay jamba, voa vao mihilana
jentilisa
49.
Jamba mifampitantana
vale
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0748