Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lavo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lavo
Hampiditra ohabolana
31.
Izay ady nolalovana ka naharesena na nahalavo dia hampatanjaka antsika amin'ny iray izay ho avy manaraka.
soanja
32.
Ditsokan'ny haitraitrany toy ny voalavo mangetotra ampatana
Ratianakel
33.
Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava
niryna
34.
Kely vatana mahalavo ny mahery tahaka ny fintana.
aivetinakely
35.
Tsara vatana miloloha taim-boalavo tahaka ny zozoro.
aivetinakely
36.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
37.
Harihariana tahaka ny tany nahalavoana
aivetinakely
38.
Manjelatra amin'ny maizina tahaka ny masompiso, tsy haingo fa adidy hisamboram-boalavo.
aivetinakely
39.
Voalavo lahy sasatry ny miaina, ka saka no alam-bolombava.
benasy
40.
Ny antratra tsy lavo ka hoe alao rain'ilaha
sylvoalias
41.
Aza manao tokatranom-boalavo ka samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
42.
Sasa-miaina tahaka ny voalavo, saka matory ka alàm-bolom-bava.
desirelyaime
43.
Tsy afa -miala toy ny voalavo latsaka ambilanibe
niryna
44.
Raha lasa ny saka, mandihy ny voalavo
niryna
45.
Voalavo no velona, akaiky ny lavany.
niryna
46.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
47.
Aza malahelo maty voalavo, fa ny any an-tsaha mbola be ny ho avy.
aivetinakely
48.
Sasatry ny miaina tahaka ny voalavo, mamba matory ka orohana.
aivetinakely
49.
Aza manao hevi-boalavo, saka matory no alàm-bolombava
aivetinakely
50.
Mihomehy lavo aza misy todiny.
lanto
51.
Ny eo an-tratra tsy lavo, miantso avia lehiroa
jlambout
52.
Mpandrava hefa toa voalavo.
niryna
53.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
54.
Aza homehy lavo, fa ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.
latina
55.
manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso
latina
56.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
57.
Bokalahy lavo amin-karavola: ka kibo no enti-manarina
latina
58.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
59.
Mifanety malalaka toy ny nifim-boalavo
latina
60.
Ny toerana no tsy lavorary, ny trano atsimo sy avaratra no mifanaratsy
latina
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173