Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mbola
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mbola
Hampiditra ohabolana
31.
Tsy ny oran-dasa no anjairan-tsarotro, fa ny mbola ho avy.
soanja
32.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
33.
be dohiaka ohatran'ny volom-pitombenana, efa tsofin'ny hetotra mbola mamikotra ihany
razion
34.
Ny feon'ny fieritreretana dia madio rehefa mbola tsy nampiasaina
niryna
35.
Sasa-miandry tiana tsy voakarà ma, miaritra fa mbola babony.
aivetinakely
36.
Mpivady tsy mifandefitra, tsy vitan'ny rava harena, fa mbola mampisotry zaza.
aivetinakely
37.
Navadiky ny vady tamim-belirano, anatry ny sisa mbola mitanontanona.
aivetinakely
38.
Lambolahy nandia hosy, manitsaka ny efa malemy
amson
39.
Ny tena namana dia izay mahafantatra anao ary mbola mitovy foana ny fitiavany anao
niryna
40.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
41.
Malaza ho zanak'andriana nefa tsy mbola niaka-drova.
ontsy
42.
Misalasala aho, fa te-handefitra manana ny rariny, te-hanadino ny lasa nefa ny ratrany mbola tsy sitrana.
aivetinakely
43.
Mandehana dieny mbola malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony!!!
sylvoalias
44.
Bangaridana homan-Katsaka voatono hoe ka :ny hanina katsaka, ny avoaka dia mbola katsaka ihany
sylvoalias
45.
Lambolahy milely zafoza hoe ka gny voa tsy apotaky fa afara tsy atao koa!
sylvoalias
46.
Kodiaran-tsarety ny fiainana ka ny ambany mbola ho lasa ambony, ary ny ambony mbola ho lasa ambany
niryna
47.
Ny manetsa be mbola ho avy
niryna
48.
Ny diavolan-kolava, ny kilalao mbola ho ela
niryna
49.
Aza isaina ny akoho izay mbola any an-kibon-dreniny
niryna
50.
Ny fitiavana dia toy ny avelo, inoan'ny rehetra fa mbola tsisdy nahita maso.
sejianis
51.
Aza malahelo maty voalavo, fa ny any an-tsaha mbola be ny ho avy.
aivetinakely
52.
Santatra ambavarano fa ny manetsa be mbola ho avy.
aivetinakely
53.
Tsy avelan'ny anaran-kisaraka toa raty, efa lasa ka mbola ratin'akondro ihany.
ikalamako
54.
Ny kianja no tsy anaovan-dratsy ny lalao mbola ho ela.
lanto
55.
Velezo ny vy dieny mbola mafana.
niryna
56.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
niryna
57.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
58.
aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
latina
59.
AZA MALAHELO DISO LEVENANA FA MBOLA HO MARO NY MARARY
Paska
60.
Bevohoka mitsidika ka na dia mbola eny ivelany aza ny vatana, ny kibo efa tafiditra.
hahaha
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176