Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mbola
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mbola
Hampiditra ohabolana
61.
-Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha. -ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahatra mahamena-maso. -lambolahy mitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika.
nanapiso
62.
toa ilay voalavo nilomano ranomasina efa be ny vita ary mbola be koa ny hatao
romeobera
63.
Aleo manana iray an-tanana toy izay roa mbola ho avy
Ingahy
64.
Toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona
mandrindra
65.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
66.
Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango.
fily
67.
Santatra ambavarano, ny manetsabe mbola ho avy.
jentilisa
68.
Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.
jentilisa
69.
Diavolan-kolava, ny lalao mbola ho ela
lotus
70.
Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
jentilisa
71.
ny lalambe no tsy asian-dratsy mbola handalovana foana
jentilisa
72.
Aza miavo-tsy feno toa tain-delo: mbola tsy feno ka efa manamorona
jentilisa
73.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
74.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
75.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
76.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
77.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.6256