Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mbola
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mbola
Hampiditra ohabolana
61.
na dia tsy vidimbola aza ny rano, ny toto-kena tsy fanasa
ampitiavanabe
62.
toa ilay voalavo nilomano ranomasina efa be ny vita ary mbola be koa ny hatao
romeobera
63.
Aleo manana iray an-tanana toy izay roa mbola ho avy
Ingahy
64.
Toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona
mandrindra
65.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
66.
Santatra ambavarano, ny manetsabe mbola ho avy.
jentilisa
67.
Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.
jentilisa
68.
Diavolan-kolava, ny lalao mbola ho ela
lotus
69.
Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
jentilisa
70.
ny lalambe no tsy asian-dratsy mbola handalovana foana
jentilisa
71.
Aza miavo-tsy feno toa tain-delo: mbola tsy feno ka efa manamorona
jentilisa
72.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
73.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
74.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
75.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
76.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176