Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miso
Hampiditra ohabolana
31.
aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany n ho trany
latina
32.
Aza mihambom-po bnga nify, ka tsy mitondra miso mandeha
latina
33.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
34.
aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana
latina
35.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
36.
toy ny akohokely misotro rano, ka ny andriamanitra no andrandrainy.
latina
37.
Aleo misoroka toy izay mitsabo
latina
38.
aza mitsiky tsiravina otran'ny saka misotro vinaigre
mmirranntto
39.
misososo toa ny vinanto tsy mahare fosa
belobe
40.
misoko toa ny ranom-panala ny tsiny an-koditra vao mahangoly
tiphen
41.
Misosososo otrany vinanto tsy mahare fosa.
ariel
42.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
43.
Misosa tsy voizina toy ny lakam-bezo
JMR
44.
Misoko mangina toy ny otrik'afon'apombo
jentilisa
45.
Misoko mangina ohatra ny ron-gisa
JMR
46.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
47.
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin'ny fe
jentilisa
48.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy ; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty
hery
49.
Aza misompa-kava-manana
hery
50.
Lasa ny mamba misosoka ny voay
vale
51.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175