Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mita
Hampiditra ohabolana
31.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo lainga tsara lahatra
dagomainty
32.
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manam-bady fohy, mitahiry tapak’aponga ; manam-bady ny loza be, mitahiry varatra an-trano
yveratsimb
33.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
34.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
35.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
36.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
37.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
38.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
39.
Kely fitia ka mitatatra fahavaratra.
aivetinakely
40.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela
niryna
41.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
42.
Fiara nihazo ny lala-mideza hono, ka aza araninina ny fisosany fa mamitaka!
mianjy
43.
Boka mitaingindakana; izay itodiany no iampitàna
aivetinakely
44.
Mitarehim-boahangy, fa mitoetran'alika, aleo mitazona ny an'ny tena
aivetinakely
45.
mitsintsin ' orona otrin ' ny alika mita rano
kiriah
46.
Mitari-drano an-kilahila, ny mitobaka no be noho ny mizotra
niryna
47.
Mahay lamba, mitafy rafia. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
48.
Andriambavy Vonizongo: mitafy jabo ka manao fehin-tongotra.
soanja
49.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
50.
Mitango voan-draketa, ka iray no alaina dia indroa no voatsindrona.
soanja
51.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
52.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
53.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
54.
Toy ny voasary, mitan-defona zato nefa tsy maharo vady aman-janaka.
soanja
55.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
56.
Mitatitra fasika ka manabe vava ny ony.
soanja
57.
Sokina mita rano, ka tsy mahabe vava ny mamba.
soanja
58.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
59.
Toy ny tsevoka, ka vao teraka dia mitan-defona.
soanja
60.
Ny mita-be tsy lanin'ny mamba ary ny akanga maro tsy vakin'amboa..
sylvoalias
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383