Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mita
Hampiditra ohabolana
31.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo lainga tsara lahatra
dagomainty
32.
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manam-bady fohy, mitahiry tapak’aponga ; manam-bady ny loza be, mitahiry varatra an-trano
yveratsimb
33.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
34.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
35.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
36.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
37.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
38.
Aza manao toy ny boka manjono, ka mifamitaka samy malama
yveratsimb
39.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
40.
Kely fitia ka mitatatra fahavaratra.
aivetinakely
41.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela
niryna
42.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
43.
Fiara nihazo ny lala-mideza hono, ka aza araninina ny fisosany fa mamitaka!
mianjy
44.
Boka mitaingindakana; izay itodiany no iampitàna
aivetinakely
45.
Mitarehim-boahangy, fa mitoetran'alika, aleo mitazona ny an'ny tena
aivetinakely
46.
mitsintsin ' orona otrin ' ny alika mita rano
kiriah
47.
Mitari-drano an-kilahila, ny mitobaka no be noho ny mizotra
niryna
48.
Mahay lamba, mitafy rafia. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
49.
Andriambavy Vonizongo: mitafy jabo ka manao fehin-tongotra.
soanja
50.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
51.
Mitango voan-draketa, ka iray no alaina dia indroa no voatsindrona.
soanja
52.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
53.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
54.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
55.
Toy ny voasary, mitan-defona zato nefa tsy maharo vady aman-janaka.
soanja
56.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
57.
Mitatitra fasika ka manabe vava ny ony.
soanja
58.
Sokina mita rano, ka tsy mahabe vava ny mamba.
soanja
59.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
60.
Toy ny tsevoka, ka vao teraka dia mitan-defona.
soanja
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.116