Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mita
Hampiditra ohabolana
121.
Mitahiry lefona an-kibo tahaka ny balahazo anaty tenona.
aivetinakely
122.
Be ny trano miantatse antegna, kely ny trano mitamboko antegna.
aivetinakely
123.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolakolaka
aivetinakely
124.
Mpianadahy mita rano, atao aloha ny anabavy mahasadaikatra, atao afara mampiherikerika
aivetinakely
125.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
126.
Matahotra ny hisaorana ianao ka mitady ny fanotrehan'atody
latina
127.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
128.
Ranadram-bao maha taitra (na randram-bao mitaon-dahy)
latina
129.
vorom-potsy mitaingina an-kazo vokoka: ka izaho nitsirika azy no voatsiriny
latina
130.
aza mitarika hazo an-tendrony
latina
131.
Mitana ny efa, toy ny mpanjaitra tsy mahay
latina
132.
Sokina mita rano, ny tsy mahay indray no mivonkina
latina
133.
Raha mararin-teny, aza mitakarina
latina
134.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry, tsy tiana, mitampody
latina
135.
Mifanaratsy an-toerana ohatra an-dRafotsibe mitanin'andro
latina
136.
aza manao toy ny boka manjono, mifamitaka samy malama
latina
137.
Mitaiza ny boka, ka manabe ny tsy azo ho namana
latina
138.
telo no sola: ny anankiray tava mitatra, ny anankiray sola nahafahana, ny anankiray tena sola
latina
139.
aza mitaitay ny banga, fa hoditra no ifanekerana
latina
140.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
141.
Dradran'Isoamanaraka: asian'ody vao mitatra
latina
142.
vorondolo miaraka amin'akoho: mitaha fa tsy mba havanay
latina
143.
be famaritra ny maso, ka mitahiry raki-dratsy ny fo.
latina
144.
aza mitangorona toy ny voangory ho ritra
latina
145.
Toy ny jaka: tsy hanin-kahavoky, fa nofon-kena mitam-pihavanana.
latina
146.
Aza mitari-bilona eo imason'ny omby
latina
147.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
148.
Mpianadahy mita rano samy tompok'henatra
latina
149.
Vorom-be toboky ambony hazo, mandigny raha ho hany vo mitalaky gn'olo hitoraka anazy
SENATERA
150.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0965