Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ndray
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ndray
Hampiditra ohabolana
31.
benangy miray fandriana ka ny any @ loha ndray no tery
Anja_Rasoa
32.
Adala ny tia ka ny tompom-bady indray no hafarana
aivetinakely
33.
Toy ny hazo kely atsinanan'Angavo, ka indray mietry, indray misavoana.
soanja
34.
Vorodamba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra.
soanja
35.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
36.
Toy ny vomanga, ka ny lehibe indray no hosoran-davenona.
soanja
37.
Ny any an-kady indray no manofa lamba.
soanja
38.
Gisa lahy mangala-ketsa ka izy mangalatra indray no avo vava
kiriah
39.
Sarotiavina toy ny hao, loloavina ndray vao manaikitra
kiriah
40.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
41.
Tsy mandray ravin-deno.
soanja
42.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
43.
Matsabory ambany tanĂ na, ndray tsy higiahigny fa hanasana vity
hery
44.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
45.
Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola
niryna
46.
Mba hafa kely indray izay hoy ilay kisoa nihinan-tay
Ratianakel
47.
Rasazy tampo-pahaizana ka antitra indray vao mangarombody
Ratianakel
48.
Mivadika tahaka ny lohalik'alika, any aoriana indray no misy azy.
aivetinakely
49.
Aza manao fanirin-drambon'omby, ny raviny indray no ambany.
aivetinakely
50.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
51.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
52.
Efa lany rambo toy ny jono indray alina
niryna
53.
Antsapaka ny fitiavana, ka samy mandray sy mifaly amin'ny tandrifiny.
aivetinakely
54.
Mody tsy mijery tahaka ny lehilahy tia, mitsipelatra indray mandeha anefa de mahatahiry ny totalin'endrika.
aivetinakely
55.
Raha indray mandeha ve no manta vary dia andevi-tsotrobe?
niryna
56.
Famindrana indray mandeha no niandohan'ny dia an-jatony maro
niryna
57.
Androngo niani-bato, ka ny kibo arovana indray no may alohan'ny lamosina.
aivetinakely
58.
Volo ngita tsy mandray rano, fa volam-bita mahatsara fihavanana.
aivetinakely
59.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
60.
Aza manao fanirin-tsaonjo ka ny mamelana indray no lazaina ho mandoza.
aivetinakely
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0187