Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ohatr
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ohatr
Hampiditra ohabolana
31.
Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra
yveratsimb
32.
May tsy mba homana ohatra ny soitrafo
yveratsimb
33.
Tsy nisy nanao soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho
yveratsimb
34.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
35.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
36.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
37.
Mitsofa maina ohatra ny tsofa ben' Andohalo
yveratsimb
38.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
39.
Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady
yveratsimb
40.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
41.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
42.
Sarotra tadiavina ohatran'ny Sinoa rastà.
Kotozafy2012
43.
LAVA-TANA TSY MIASA OHATRY NY FOZA
kiriah
44.
Tonga alina ohatry ny vady tsy vita vody ondry
kiriah
45.
terena hiaraka ohatry ny FITIA sy ny LAINGA
kiriah
46.
Mampaharary vao mihà-tiana ohatry ny fitiavana
kiriah
47.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
48.
Mandoka tena ohatra ny papelika.
soanja
49.
Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady.
soanja
50.
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana.
soanja
51.
Afa-draorao ohatra ny tany afa-dilatra.
soanja
52.
antitra ampijoroana ohatrin ny anamalao lavitr olona
kiriah
53.
miaka-midina ohatrin ny anaran-dRabe kely
kiriah
54.
Voky dia mkodia, ohatra ny kongona.
soanja
55.
Mivoaka ho faty ohatry ny kankana.
soanja
56.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
57.
Diso fanantenana ohatran'ny makorelina be vohoka, vola no tadiavina ka zaza no ao an-kibo.
kimbol
58.
Aza maika ohatra ny boka hanambady!
Razatovo
59.
manalasala ohatran'ny volom-pitombenana, hongotana marary tsy hongotana mihazo-maloto
razion
60.
be dohiaka ohatran'ny volom-pitombenana, efa tsofin'ny hetotra mbola mamikotra ihany
razion
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0181