Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ohatr
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ohatr
Hampiditra ohabolana
61.
Mpitondra manao tohatra fiakarana, tsy araky ny fitsaràna saingy hotsarain'ny tantara
aivetinakely
62.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
63.
matikambo ohatran'ny saka, ny tay totofana nefa ny vody tsy firana
mimi79
64.
kely idiran'angano ohatry ny sage femme efa diplome vao mangarona
dadou
65.
KELY MIAMBOZONA ADIDY OHATRY NY SALAKA KA MIZAKA NY TSY HERAN'NY AINA
dadou
66.
Ny fahaizana mihoatra noho ny volafotsy ary ny fahalalana miohatra noho ny volamena
dziana
67.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
68.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
69.
Aza be rehereha ohatry ny rambon'osy ka lanitra tsy hianjera avy no tohanana.
rivoS
70.
miala maina ohatry ny voatay fa nangery ambony vato ny tsaiky.
01
71.
Manalasala toy ny manambady banga, atao ao aloha mitsiky amin'ny hafa, atao ao aoriana ohatry ny hanaikitra.
01
72.
Tsy ambony tsy ambany, ohatran'ny loalik'alika.
kalarouge
73.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
74.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
75.
Aza mitsentsitra ny hafa ohatra ny dinta.
aivetinakely
76.
Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
niryna
77.
Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
niryna
78.
Ny fahazoam-bola noho hiankinan'ny olona noho ny ohatrinona no fidiram-bolako.
niryna
79.
Ataovy ohatran'ny mihinam-bomanga bila ka any an-tenda izy no ahitsy
niryna
80.
aza mipetra potsiny ohatra ny lamban'ny piasa
stella1
81.
Mihena an-toerana ohatran'ny fen'antitra
ikalamako
82.
haronga-pohatra ny momba, ka raha lasa dia lasa tokoa
latina
83.
Ohatry ny momba: tsy misy manao azy reny
latina
84.
Kely tratry ny sarotra ohatra ny misao-bady tezitra
latina
85.
Mitranga matetika ohatra ny fifandiran'ny mpivady
latina
86.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
87.
Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo
latina
88.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
89.
Manandrifindrify ohatra ny tenin'adala
latina
90.
Mifanaratsy an-toerana ohatra an-dRafotsibe mitanin'andro
latina
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0674