Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ondry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ondry
Hampiditra ohabolana
31.
mifangaroharo be ihany toy ny boka miady, tsa mba fatatsa koa ny fetrika (totohondry) sy ny tehaka (tehamaina na koa tehampify)
ridads
32.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
33.
Vady tsy lasam-bodiondry, sady tsy ara-dalàna no tsy toloram-pahefàna.
aivetinakely
34.
Rafotsibe maty ondry ka misento homana ny atiny
niryna
35.
Tsy misy mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry
aivetinakely
36.
Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana.
aivetinakely
37.
Aza maika tsy faingana toy ny dianondry.
sylvoalias
38.
Tsy misy mahamenatra toy ny mitari-bady tsy lasa vodiondry
niryna
39.
Raha izaho no namely totondry tsy henoko ny fidobony, fa raha izaho no voan'ny tehamaina, henoko ny firotsony
niryna
40.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
rtol
41.
Tsy misy zava-mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
aivetinakely
42.
Tsy misy boribory toy ny tain'ondry fa raha latsaka an-tany misy kitsambony.
niryna
43.
Boka mivavaka, Andriamanitra angatahana indray no ambanana totohondry
katafi
44.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
aivetinakely
45.
Ny ondry boka manaratsy ny namany.
niryna
46.
lany tetika toa ondry momba
latina
47.
Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
latina
48.
Rafotsibe maty ondry, ka misento homana ny atiny
latina
49.
Rafotsibe leom-boanjo: ny tain'ondry avy no andosirany
latina
50.
totohondry diavolana: ny mazavaray ihany no voa
latina
51.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo, ka tsy ilaozan'izay mania.
latina
52.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
53.
Maika tsy faingana toa dian'ondry
Mapa
54.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
55.
adala nomen-tanan'ondry: na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
56.
ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika.
ftma
57.
Ny very ondry manara-morona, ny veriketsa mivezy2
doum
58.
Handrin'ondry sy handrin'osy
jentilisa
59.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
60.
Tsy ampy ketsa mivezivezy, ny very ondry manara-morona.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0761