Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tonga
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tonga
Hampiditra ohabolana
31.
Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
32.
" Raikitra tery izaho" hoy ilay voa bala tamin'ny feny, " fa afaka ho borozano aho raha tonga".
soanja
33.
Ondrilahin'Ambohimangidy: tonga soa vao latsa-bidy.
soanja
34.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
35.
Rahe hety ny atao, hazondrano tonga andevo.
soanja
36.
Andevolahy mianala; ka ny hazon'andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina.
soanja
37.
Ny loza toy ny alika,rehefa antsoina dia tonga
manip
38.
Hady vomangan' i Kirijavola ka tonga dia ny vaomasony no potsirina
kiriah
39.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
40.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
41.
Ny tany nohadiana tsy ary ho tonga an-karona avokoa.
soanja
42.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
43.
Maty antoka ohatran'ny koaitra tonga fotoana
Ratianakel
44.
Ranon 'Ikopa ka tonga namana vao mavomavo
ANJARA7
45.
Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany
niryna
46.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
47.
Tonga amin'ny ilana azy toy ny be vava miantso vonjeo
bobone
48.
Ataovy hanatra imaso ifanatrehana: fa raha takona tonga fosa
niryna
49.
Kamo be tenda ka mahatonga ny mpialo ho sain-kanina.
aivetinakely
50.
Sitran-tsy miody tahaka ny tonga olon-tiana.
aivetinakely
51.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
52.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
53.
Fady fotsy toa oman-dronono, tsy mainty milalao saribao, fomba fiteny raha hialatsiny ny mpikabary dia azo raisina ao anaty voabolana io, ary mampiango azy mihintsy ary rehefa tonga ny ainga eo amin'ny lafiny kabary
RTsongy
54.
Izay tsy mahalala ny lalan-kalehany dia tsy maintsy ho very izy rehefa tonga any amin'ny lalan-kafa
niryna
55.
Izay tonga aloha tompon-dasy
niryna
56.
Ireo izay nahavita dian-tongotra lavitra dia nanomboka ny dingana indray mandeha aloha vao tonga tany
niryna
57.
Maro no be fitetika fa vitsy no tonga amin'ny tanjona
niryna
58.
Fahavaratra mangidy fa ny an-tsaha tsy tonga, ny an-tanĂ n-dany.
aivetinakely
59.
Donak'afon'Analakely ka tonga dia any any ambovonany.
sylvoalias
60.
Ny filana vola no mahatonga ny ankabeazan'ny olona hiasa tsara
niryna
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0334