Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vavy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vavy
Hampiditra ohabolana
31.
Aza mampalahelo vehivavy, fa Andriamanitra no miady ho azy.
aivetinakely
32.
Fom-behivavy tsy hay fitahina, na tsy mamaly izy ny vaingan-dranomasony iray vidin-dafo.
aivetinakely
33.
Ombivavy terendronono, ny hafa razana no voky aloha.
aivetinakely
34.
Vinantovavy mahandro saonjo ka maty fosa hoe tsy te-hanome.
aivetinakely
35.
Tia taratra tahaka ny tovovavy matroka endrika, miandry ho sitrana isa-minitra.
aivetinakely
36.
Fom-behivavy ratsiana anaka, tsy fantatra na sangy na hatezerana.
aivetinakely
37.
Ny harena fanjonoam-behivavy, ny voninahitra famandrihan-dehilahy.
aivetinakely
38.
Lehilahy manoloana vehivavy kambana, ny mifidy no ambàka.
aivetinakely
39.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
40.
Vehivavy tsara ofana ka miomà na ianao mifanehatra aminy.
aivetinakely
41.
Aza mba mora azo tahaka ny vehivavy diso fanantenà na.
aivetinakely
42.
Mora lasa vinany tahaka ny vehivavy, miantsampy hazo tsy fantatra no iafarany.
aivetinakely
43.
Tovovavy miteraka tsy am-panambadiana, mitombo isa vao mihem-bidy.
aivetinakely
44.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
45.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
46.
Badolahy fisadoha, ka ny hafetsena sisa isintonam-behivavy.
aivetinakely
47.
Manintona maso tahaka ny vehivavy fotsy, fa tsy mahatsindry ny manjamanja.
aivetinakely
48.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
49.
Vehivavy tsara bika, ka miherika manaraka aloka.
aivetinakely
50.
Manalasala tahaka ny ampisafidiana zazavavy kambana.
aivetinakely
51.
Siakam-behivavy ka manafina ny tsy misy ao antrano.
aivetinakely
52.
Akohovavy maneno, tsy hery fa fambara loza
aivetinakely
53.
Tsy very mandeha tahaka ny vehivavy tsara tarehy
aivetinakely
54.
Manambady vehivavy amin'ny antsaran-tarehiny dia toy ny mividy trano noho ny lokony fotsiny
niryna
55.
Izay manabe lehilahy, mitaiza olona iray, izay mampianatra vehivavy, manabe vahoaka alin-kisa.
aivetinakely
56.
Vehivavy tsara, tsy very mandeha.
aivetinakely
57.
Ny vavy Ranirina, ny lahy Ratsimisitoazy
niryna
58.
Ny vehivavy tsy mba very mandeha.
aivetinakely
59.
Vehivavy lava lamosina ka ny kifafa indray no tapaka
niryna
60.
Izy lahy sady mahery, fa izaho vavy sady malemy
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3049