Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe volo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
volo
Hampiditra ohabolana
31.
be dohiaka ohatran'ny volom-pitombenana, efa tsofin'ny hetotra mbola mamikotra ihany
razion
32.
miharitra ny mafy ohatra ny volombody tokana aozongozin'ny hetotra !!!
glady
33.
Amberivatry maniry amin'ny tany mena ka tsy maintsy maka volon-tany.
aivetinakely
34.
Volon'akoholahy lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
35.
Volon'akohoalahy lena ka ny vava no enti-manilika.
aivetinakely
36.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay mahazo tsiny, tsy mahay mahazo fosa.
aivetinakely
37.
manalasala tahaka nybe taona mandoko volo jerena eo aloha toa miketron'andrina jerena ao afara toa demozely maintso volo
bobone
38.
Volo ngita tsy mandray rano, fa volam-bita mahatsara fihavanana.
aivetinakely
39.
saro-tadiavina toy ny sinoa ngita volo
Raherizo
40.
Tany lavitr'andrian-dava volo.
aivetinakely
41.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
42.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara dia.
kanto1
43.
Iri mahory, toy ny volo fotsy.
kanto1
44.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
45.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
46.
Vavolombelon'ny mpiaasa ny bainga voavadika
niryna
47.
Mpandihy lava volohelika, mahay ihany fe misy tsininy.
aivetinakely
48.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
49.
Ny vola hono toy ny volon'orona.Analana kely maharary, analana be maharary.
sylvoalias
50.
Tsy hoe lava volo an-katoka akory ka hatory tsy miondana.
aivetinakely
51.
Izay ela netezana no lava volo
niryna
52.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
53.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
54.
Izay ela nohetezana hono lava-volo
niryna
55.
Volon'akoho lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
56.
Ny tany lavitra andriana lava volo.
aivetinakely
57.
Maka volon-tany tahaka ny trandraka milevina an-tanimena.
aivetinakely
58.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
59.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolakolaka
aivetinakely
60.
Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
niryna
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.024