Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe volo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
volo
Hampiditra ohabolana
1.
Maty be volompory, ka manala baraka n'y velona
Sologasy
2.
Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony
tsara_ny_marina
3.
Aza manao be volo-kelika manao selfie ka samy mijery ny azy
vonjygildas
4.
Tanora ratsy fihary ka maka kitay fotsy volo
OZ16
5.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolangolana
OZ16
6.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
7.
O volokoo o gogoo fa zaho tsy abo
Momake
8.
Aingaingao rey volom-body fa ny elatra hanidinana no tsy misy.
BEDOGAIGY
9.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
10.
Andriana mifamofo amin'andevo ka maniry midina toa volo-kelika
oely89
11.
Tanora ratsy fiary ka maka kitay fotsy volo
5laody
12.
Volom-bodin'akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian'ny namany.
aivetinakely
13.
Ny fihavanana tahaka ny volonkotona : hatonina, manalavitra ; halavirina, manatona
yveratsimb
14.
Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.
aivetinakely
15.
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha
yveratsimb
16.
Tanora tsy mandray ravin-dena, ka fotsy volo vao miloloha sobiky
yveratsimb
17.
Trandraka mivelavina an-tany mena, volon-tany no arahina
niryna
18.
Tanalahy ambony hazo ny vintana, miova volo nony misy zaza misioka.
soanja
19.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka volo vao tsara.
soanja
20.
Ondro-volo: sady fagnilo famoarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
21.
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
22.
Fody lahy ririnina ka mitovy volo amin'ny sorohitra.
soanja
23.
Gisa marary ka tsy tia volontany.
soanja
24.
Volongita manafin-kao.
soanja
25.
Angaha volo manify ka hataho-pandroatra.
soanja
26.
Misoron'ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina.
soanja
27.
"Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy"
mpoon
28.
rastà mibango volo, ranomaso no isarahana
tsiafa
29.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga!
sylvoalias
30.
manalasala ohatran'ny volom-pitombenana, hongotana marary tsy hongotana mihazo-maloto
razion
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0175