Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zanak
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zanak
Hampiditra ohabolana
31.
Ny zanaka hendry mahafaly ny ray, fa ny zanaka adala manome halahelo ny reny
niryna
32.
Izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra
niryna
33.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
34.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
35.
Zanak'omby masiaka tsy matahotra an-dreniny.
niryna
36.
Ray aman-dreny sy zanaka, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
37.
Samy zanaky ny mpanefy ka tsy miafmpidera taim-by
rtol
38.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka, fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
39.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
40.
Tsisy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-non akifika
ikalamako
41.
Zanak'omby tsy ampianarin-domano, zanak'andriana tsy ampianari-mikabary
aivetinakely
42.
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
43.
Zanaka velon-kalina, ka ny am-pony hafa, ny am-poko hafa.
latina
44.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
45.
Ny zanak'omby tsy ampianarin-domano, ny andriana tsy ampiantin-kabary
latina
46.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
47.
Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
latina
48.
Zanak'omby mihosy tanimbary, tsy hery fa adidy
rakotomahenina76
49.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
50.
Ny heloky ny ray tsy heloky ny zanaka
doum
51.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono hahifika
doum
52.
Samy zanaka ve no atao tombo sy hala?
jentilisa
53.
Tsy zokiny fa zanak'antitra : vato namelan-kafatra
JMR
54.
Aza mifampidera tain-dalitra fa samy zanakin'ny mpamoron-kira
JMR
55.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
56.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
57.
Ny zanaka mahafoy ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
JMR
58.
Mamy ny zanaka, fa raha manaikitra nono, akifika ihany
JMR
59.
Aza manao zanak'ikalahafa
jentilisa
60.
ny zanak'omby tsy ampianarin-domano.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171