Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
hery
Hampiditra ohabolana
31.
Mitady ny maimbo ka misaron-doha mangery
hery
32.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
33.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
34.
Sokatra ilatsaham-baratra, henoy izany ry hazon-damosina
hery
35.
Valala eny an-danitra ka asiana sira
hery
36.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
37.
Miharihary toy ny vay ankandrina.
hery
38.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
39.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
40.
Tsy miady tsy miady ny kobay ankelika ihany.
hery
41.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
42.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
43.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
44.
Nanaonao foana ohatra an'Andriamanitra nanao voay
hery
45.
Mifankatia amin'ny amalona : ka nony sendra tia, nabolilany
hery
46.
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra
hery
47.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
48.
Nify sy molotra, ka ny mahery no afaka aloha
hery
49.
Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy
hery
50.
Rafotsibe mita rano ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra
hery
51.
Andriamanitra tsy omen-tsiny, zanahary tsy omen-pondro fa ny olombelona no be siasia
hery
52.
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
hery
53.
Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
hery
54.
Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa
hery
55.
Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany
hery
56.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
hery
57.
Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra
hery
58.
Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
hery
59.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
60.
Tsy nandre, sa tailana nandrenesana, no mitondra teny tanora ?
hery
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0619