Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
lanto
Hampiditra ohabolana
31.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy fa mora lasa.
lanto
32.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
33.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
34.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
35.
Ny ahiahy tsy ihavanana.
lanto
36.
Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan'izay mamarara.
lanto
37.
Ny adidy tsy an' olon-dratsy.
lanto
38.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
lanto
39.
Izay mahavangivangy tian-kavana.
lanto
40.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy.
lanto
41.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
lanto
42.
Ny atao toy ny salaka : soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina.
lanto
43.
Tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana.
lanto
44.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana.
lanto
45.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
46.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga
lanto
47.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo, raha fotorana iray ihany.
lanto
48.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1462