Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Boka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Boka
Hampiditra ohabolana
61.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
62.
boka mita rano, tafita vao rendrika
zazadel
63.
Tampotampohany sahala ny boka nahazo kapa ka eny am-pandriana avy no tsy hiala kiraro
Bazily
64.
Ireo izay nahavita dian-tongotra lavitra dia nanomboka ny dingana indray mandeha aloha vao tonga tany
niryna
65.
Faly sahirana toa ilay boka nangala-boatavo
dziana
66.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
67.
Aza mampijaly tena toy ny boka mijery fitaratra
comptezo
68.
Boka milalao daomy, ka samy tehipasoka fa tsy misy te hanomboka.(lohavato)
sylvoalias
69.
Tsihy norarim-boka ka hasakasak'izay mividy azy
sylvoalias
70.
Ny lehilahy tsy boka herin-taona.
aivetinakely
71.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
72.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
73.
Matimaty foana toy voron-kely lalaovim-boka.
sylvoalias
74.
Aza manao bokalahy mahay valiha
sylvoalias
75.
Tafita vao rendrika toy boka milomano.
sylvoalias
76.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
niryna
77.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
78.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
79.
Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
niryna
80.
Boka mangala-boatavo ka mifampitolona samy malama.
aivetinakely
81.
Boka mangala-pihinana ka lany andro teo am-pisangiana takotra
rtol
82.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
83.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
84.
Mpamosavy namosavy boka, ka natin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
niryna
85.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
86.
Lanom-boka, tafita vao rendrika.
aivetinakely
87.
Boka mivavaka, Andriamanitra angatahana indray no ambanana totohondry
katafi
88.
Reniranon'i Betsiboka, tondraka sasak'alina fa ritra maneno akoho.
aivetinakely
89.
Ny ondry boka manaratsy ny namany.
niryna
90.
matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro
latina
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184