Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ambony
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ambony
Hampiditra ohabolana
61.
ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
ndixa
62.
mamoiza re voatay fa teny ambony vatolampy ny kilonga ro nangery
nalaina
63.
Deda-tsy mailo toy ny lalitra, ka eny ambony tranon-kala no manao sora-dihy
audoo
64.
akoho kely lasam-papango tonga ambony vao tra-pahoriana
dadou
65.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
66.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
67.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
68.
Mangetaheta ambony lakana
JMR
69.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
70.
Aza miovoka ambony toy ny ranovolan’i Tsiodiana
hery
71.
Androngo an-asa ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
jentilisa
72.
mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony
ramuscle
73.
Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik'alika
vale
74.
Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany.
hery
75.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony
hery
76.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
eugene
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0202