Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andrian
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andrian
Hampiditra ohabolana
61.
Andrianiko ny teniko ny an'ny hafa koa feheziko
doum
62.
Ny maniraka andriana mahabotrabotra
JMR
63.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
64.
miova sata miova andriana
jentilisa
65.
mitombo an-dalana toa dian'andriana.
jentilisa
66.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
67.
Lakana tsy mifidy andriana, ka izay miditra lena avokoa
McFy
68.
Tanin'andriana, tian-konenana, ka satan'andriana tsy arahina
McFy
69.
Aza manao ariary zato am-pandriana
JMR
70.
Aza manao tehina mialoha andriana na mitsako alohan'ny vazana
jentilisa
71.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
72.
Mirediredy toy ny andrian-dany harena
hery
73.
Raha tezitra, toy ny andriana, fa raha mianina, olona ihany
hery
74.
Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely
JMR
75.
Aleo halan'Andriana, toy izay halam-bahoaka
DIDIH
76.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
77.
Tsy mety ny manao ranomaso manetsi-keloka ka ny mamono indray no mamonjy fandriana ary ny mamo indray no miantso polisy.
jentilisa
78.
aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3184